Bokin'i Ezekiela 23:18
Ary rehefa naneho ny fijangajangany sy nampiseho ny fitanjahany izy, dia niombotra niala taminy ny fanahiko, toy ny efa niombotan’ ny fanahiko niala tamin’ ny rahavaviny ihany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 23
Cross References
Deuteronomy 32:19Ary Jehovah nahita izany ka nandà Noho ny fahasosorany tamin’ ny zananilahy sy ny zananivavy.
Psalms 106:40Dia nirehitra tamin’ ny olony ny fahatezeran’ i Jehovah, Ka nataony ho zava-betaveta ny lovany.
Jeremiah 6:8Minoa anatra ianao, ry Jerosalema, fandrao miombotra miala aminao ny fanahiko, ary fandrao hataoko tany lao ianao, dia tany tsy honenana.
Jeremiah 12:8Raha amiko, ny lovako dia efa toy ny liona any an’ ala; Mierona amiko izy, ka dia halako.
Lamentations 2:7Ny alitarany narian’ ny Tompo, ny fitoerany masìna nolaviny; Natolony ho eo an-tànan’ ny fahavalo ny mandan’ ny lapa ao Ziona; Nanandratra ny feony tao an-tranon’ i Jehovah toy ny amin’ ny fotoam-pivavahana ireny.
Ezekiel 21:24Hianao, ry zanak’ olona, manaova lalana roa ho anao hihavian’ ny sabatry ny mpanjakan’ i Babylona; avy amin’ ny tany iray no hihavian’ izy roa; ka manaova sarin’ ny famantaran-dalana, eo an-tsampanan-dalana mankany amin’ ny tanàna no anaovinao azy.