Bokin'i Ezekiela 23:19
Dia nampitombo ny fijangajangany ihany izy, ka dia nahatsiaro ny andro fahatanorany, izay nijangajangany tany amin’ ny tany Egypta.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 23
Cross References
Ezekiel 16:22Ary tamin’ ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao rehetra dia tsy nahatsiaro ny andro fahakelezanao ianao, fony ianao nitanjaka sy nihanjahanja sady nihosinkosina teo amin’ ny rànao.
Ezekiel 16:29Ary mbola nampandrosoinao ihany ny fijangajanganao hatrany amin’ ny tanin’ ny mpandranto. Dia hatrany Kaldea; fa na tia tamin’ izany aza dia mbola tsy afa-po ihany ianao.
Ezekiel 20:7dia hoy Izaho taminy: Samia manary ny fahavetavetan’ ny masonareo avy ianareo, ary aza mandoto tena amin’ ny sampin’ i Egypta; Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Ezekiel 23:8Ary ny fijangajangana izay fanaony hatrany Egypta dia tsy foiny; fa fony izy mbola tanora dia nandrian’ ireny, ary ireny no nitsapatsapa ny tratran’ ny fahavirijinany sady nanaram-po nijangajanga taminy.
Ezekiel 23:21Nitady ny fijangajangan’ ny fahatanoranao ianao, dia ilay nitsapatsapan’ ny Egyptiana ny nononao, satria nonon’ ny fahavirijinanao ireo.