Bokin'i Ezekiela 23:22
Koa izao, ry Oholiba, no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hotairiko hamely anao ireny lehilahinao, izay efa niombotan’ ny fanahinao, ka ho entiko avy amin’ ny tany manodidina izy mba hamely anao,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 23
Cross References
Isaiah 39:3Dia nankany amin’ i Hezekia mpanjaka mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain’ ireo olona ireo, ary avy taiza nihaviany hankatỳ aminao? Ary hoy Hezekia: Nankaty amiko avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.
Jeremiah 6:23Tsipika sy lefona no entiny, lozabe sady tsy mamindra fo izy; Ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina, sady mitaingin-tsoavaly izy ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin’ ny ady, hamelezana anao, ry Ziona zanakavavy.
Ezekiel 16:37dia, indro, hovoriko ireny lehilahinao rehetra ireny, izay mankamany anao sy izay tianao rehetra mbamin’ ireny rehetra izay halanao koa, eny hovoriko avy amin’ ny manodidina ireny mba hamely anao, ka hampisehoiko aminy ny fitanjahanao, dia hahita ny fitanjahanao rehetra izy;
Ezekiel 23:28Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hatolotro eo an-tànan’ izay halanao ianao, dia eo an-tanan’ izay efa niombotan’ ny fanahinao;
Revelation 17:16Ary ny tandroka folo sy ny bibi-dia izay efa hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka ary sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ ny afo.