The Bible Software
bible.software › Bokin'i Isaia › Bokin'i Isaia 39 › Bokin'i Isaia 39:3

Bokin'i Isaia 39:3

Dia nankany amin’ i Hezekia mpanjaka mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain’ ireo olona ireo, ary avy taiza nihaviany hankatỳ aminao? Ary hoy Hezekia: Nankaty amiko avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Then came Isaiah the prophet unto king Hezekiah, and said unto him, What said these men? and from whence came they unto thee? And Hezekiah said, They are come from a far country unto me, even from Babylon.

In Context

2Ary dia faly Hezekia noho izany ka nampiseho azy ny trano fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin’ izay rehetra tao amin’ ny firaketany; tsy nisy zavatra tsy nasehon’ i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin’ ny fanjakany rehetra.

4Dia hoy izy: Ka inona avy anefa no hitany tato ananonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra an-tranoko dia efa hitany avokoa; tsy nisy zavatra tsy nasehoko azy ny ao amin’ ny firaketako rehetra.

Read all of Bokin'i Isaia 39

Cross References

Joshua 9:6Dia nankany amin’ i Josoa teo an-toby tany Gilgala izy ireo ka niteny taminy sy tamin’ ny Isiraelita nanao hoe: Avy any an-tany lavitra izahay; koa ankehitriny mba manaova fanekena aminay ianareo.

2 Samuel 12:1Ary Jehovah naniraka an’ i Natana hankao amin’ i Davida. Ary dia tonga tao aminy izy ka nanao taminy hoe: Nisy olona roa lahy tao an-tanàna anankiray, ny iray manan-karena, ary ny iray malahelo.

2 Chronicles 16:7Ary tamin’ izany andro izany dia nankeo amin’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, Hanany mpahita ka nanao taminy hoe: Noho ny niankinanao tamin’ ny mpanjakan’ i Syria fa tsy niankina tamin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia afa-nandositra ny tananao ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Syria.

2 Chronicles 25:15Dia nirehitra tamin’ Amazia ny fahatezeran’ i Jehovah, ka naniraka mpaminany anankiray ho any aminy Izy hanontany azy, hoe: Nahoana ianao no mitady ny andriamanitry ny firenena, izay tsy naharo ny olony tamin’ ny tananao aza?

Isaiah 38:5Mandehana, ka lazao amin’ i Hezekia hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hampiako dimy ambin’ ny folo taona ny andronao,

Jeremiah 5:15Indro, efa hitondra firenena avy lavitra Aho hamely anareo, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah, dia firenena mateza hery, Firenena hatry ny ela, Firenena izay tsy fantatrao ny fiteniny, ka tsy ho azonao izay lazainy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Isaia 39:3

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Isaia 39:2Bokin'i Isaia 39Bokin'i Isaia 39:4 →