Bokin'i Ezekiela 23:42
Ary teo aminy nisy ny feon’ ny maro izay mipetraka tsy manana ahiahy, ary afa-tsy ny ankabiazam-bahoaka dia nisy mpiboboka nentina avy tany an-efitra; ary nasian’ ireo haba teny an-tànan’ izy mirahavavy sy satro-boninahitra tsara tarehy teny an-dohany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 23
Cross References
Genesis 24:30Ary rehefa hitany ny kavin’ orona sy ny haba teny an-tànan’ ny anabaviny, sady efa reny ny tenin-dRebeka anabaviny nanao hoe: Izany no nolazain-dralehilahy tamiko, dia nankeo amin-dralehilahy izy; ary, indro, mbola nijanona teo anilan’ ny rameva teo am-pantsakana ralehilahy.
Exodus 32:18Fa hoy kosa izy: Tsy feo fihobian’ ny mahery na feo fitomanian’ ny resy no reko, fa feon’ ny mihira.
Ezekiel 16:11Noravahako firavaka koa ianao, ka nasiako haba ny tananao ary rojo ny vozonao
Hosea 13:6Araka ny ahitra teny aminy no nahavoky azy; Eny, voky izy, ka niavonavona ny fony; Koa izany no nanadinoany Ahy.
Amos 6:1Lozan’ ireo miadana ao Ziona sy ireo matokitoky foana ao an-tendrombohitr’ i Samaria, dia ireo malaza eo amin’ ny firenena malaza indrindra sady hatonin’ ny taranak’ Isiraely.