Bokin'i Ezekiela 23:49
Ary hatsingeriny aminareo ny fahavetavetanareo, ary ho entinareo ny heloka noho ny sampinareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 23
Cross References
Isaiah 59:18Araka ny asa natao no hamaliany, dia fahatezerana mirehitra ho an’ ny fahavalony, famaliana ho an’ ny rafiny; ary ny nosy dia hovaliany tokoa.
Ezekiel 7:4Ary tsy hiantra anao ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; Fa hatambesatro aminao ny lalanao, ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao, ary dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
Ezekiel 9:10Ary Izaho kosa, dia tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo aho, fa hatsingeriko ho eo an-dohany ny nataony.
Ezekiel 16:43Noho ny tsy nahatsiarovanao ny andro fahakelezanao, fa niempo nanohitra Ahy tamin’ ireo rehetra ireo ianao, dia; indro, ny nataonao ihany no hatsingeriko ho eo an-dohanao, hoy Jehovah Tompo. Ary tsy nanao izany ratsy izany ho fanampin’ ny fahavetavetanao rehetra va ianao?
Ezekiel 20:38Ary havahako hiala aminareo ny mpiodina sy izay manota amiko; eny, ho entiko hiala amin’ ny tany ivahiniany ireo, nefa tsy hisy ho tafiditra ao amin’ ny tanin’ ny Isiraely izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
Ezekiel 20:44Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, rehefa miasa aminareo Aho noho ny amin’ ny anarako, fa tsy araka ny lalàn-dratsinareo, na araka ny ratsy fanaonareo, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah Tompo.