Bokin'i Ezekiela 24:9
Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Lozan’ ny tanàna mpandatsa-drà; Izaho koa hamory kitay betsaka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Therefore thus saith the Lord GOD; Woe to the bloody city! I will even make the pile for fire great.
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 24
Cross References
Isaiah 31:9Ary ny mpanjakany ho lasa noho ny fahatahorana, Ary mpanapaka azy hivadi-po noho ny faneva, hoy Jehovah, Izay manana ny afony ao Ziona sy ny fatany fandoroana ao Jerosalema.
Ezekiel 21:3Ary lazao amin’ ny ala amin’ ny tany atsimo hoe: Henoy ny tenin’ i Jehovah: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hampirehitra afo ao aminao Aho, izay handevona ny hazo maitso sy ny hazo maina rehetra ao aminao; tsy hovonoina ny lelafo midedadeda, fa ho main’ ny afo ny tava rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra;
Ezekiel 22:19Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nahatongavanareo rehetra ho tain-drendrika, dia, indro, hangoniko ho ao Jerosalema ianareo.
Ezekiel 24:5Alao ny ondry voafantina, ka tohofy kitay betsaka ao ambaniny koa hahandroana ny taolana, dia ampangotrahy tsara izy, ka andrahoy ao ny taolany.
Nahum 3:1Lozan’ ny tanàna mpandatsa-drà! Feno lainga sy fandozana izy; Tsy ialan-dremby ao aminy.
Luke 13:34Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina any aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao tahaka ny fanomban’ ny akoho ny zanany ao ambanin’ ny elany, fa tsy nety ianareo!