Filazantsara araka an'i Lioka 13:34
Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina any aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao tahaka ny fanomban’ ny akoho ny zanany ao ambanin’ ny elany, fa tsy nety ianareo!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 13
Cross References
Deuteronomy 32:11Toy ny voromahery manaitra ny ao amin’ ny akaniny Ka manidintsidina eo ambonin’ ny zanany, Dia toy izany no namelarany ny elany sy nandraisany azy Ary nitondrany azy teo ambonin’ ny elany,
Ruth 2:12Hamaly ny nataonao anie Jehovah, ka homen’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, valim-pitia lehibe anie ianao, satria avy hialoka eo ambanin’ ny elany ianao.
2 Chronicles 36:15Kanefa Jehovah, Andriamanitry ny razany, nampitondra teny ny iraka izay nirahiny ho any aminy; eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka, fa namindra fo tamin’ ny olony sy ny fonenany.
Nehemiah 9:30Nefa nandefitra taona maro taminy Hianao, ary ny Fanahinao, Izay tao amin’ ny mpaminaninao, no nentinao nananatra azy mafy; fa tsy nety nihaino ihany izy, ka dia natolotrao ho eo an-tànan’ ny firenena amin’ ny tany hafa.
Psalms 36:7Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo; ny fitsaranao dia toy ny lalina indrindra; ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, Jehovah ô,
Psalms 81:10Aza asiana andriamani-kafa eo aminao; ary aza mivavaka amin’ ny andriamanitry ny firenena hafa.