Bokin'i Ezekiela 25:4
Dia indro kosa, hatolotro ho fananan’ ny zanaky ny atsinanana ianao, Ka haoriny ao aminao ny tobiny, ary hataony ao aminao ny fonenany; Ireny no hihinana ny vokatrao sy hisotro ny ronononao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 25
Cross References
Leviticus 26:16Izaho kosa dia hanao izao aminareo hanisy fampitahorana aminareo Aho, dia areti-mahasahozanina sy tazo mahamay, izay manimba ny maso sy mandany ny aina; ary hafafinareo foana ny voan-javatrareo, fa ny fahavalonareo no hihinana azy.
Deuteronomy 28:33Ny vokatry ny taninao sy izay rehetra efa nisasaranao dia hohanin’ ny firenena izay tsy fantatrao; any hanaovan’ ny sasany an-keriny sy hotorotoroiny mandrakariva ianao.
Judges 6:3Ary rehefa namafy voa ny Isiraely, dia avy ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana ka niakatra hanafika azy.
Judges 7:12Ary ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana rehetra dia nandry teny an-dohasaha, tahaka ny valala ny hamarony; ary tsy hita isa ny ramevany, tahaka ny fasika any amoron-dranomasina ny hamarony.
2 Samuel 12:26Ary Joaba namely an’ i Raban’ ny taranak’ i Amona ka nahafaka ny tanànan’ ny mpanjaka.
Isaiah 1:7Ny taninareo dia efa lao; Ny tanànanareo dia voadotra tamin’ ny afo; Ny tany volenareo dia lanin’ ny fahavalo eo imasonareo, ary lao izy toy ny efa noravan’ ny fahavalo.