Bokin'i Ezekiela 25:7
Dia, indro, hahinjitro aminao ny tanako, ka hatolotro ho babon’ ny jentilisa ianao; Ary hofongorako tsy ho vanon-ko firenena intsony ianao, ka hataoko lany ritra tsy ho amin’ ny tany; Eny, haringako ianao, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 25
Cross References
Ezekiel 6:14Hahinjitro aminy ny tanako, ary ny tany any amin’ ny fonenany rehetra dia hataoko lao sy foana mihoatra noho ny efitr’ i Dibla; Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
Ezekiel 25:10Ho an’ ny zanaky ny atsinanana koa tahaka ny taranak’ i Amona’ ihany, eny, hatolotro ho fananan’ ireny izy, mba tsy hotsarovana ao amin’ ny firenena intsony ny taranak’ i Amona.
Ezekiel 25:16Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hahinjitro amin’ ny Filisitna ny tanako, ka haringako ny keretita, ary horavako izay sisa any amoron-dranomasina;
Amos 1:14Fa hampirehitra afo ao amin’ ny mandan’ i Raba Aho, ka handevona ny tranobeny izany, sady hisy akora amin’ ny andro iadiana sy rivo-mahery amin’ ny andron’ ny tadio;