Bokin'i Ezekiela 25:6
Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nitehafanao tanana sy ny nitotoanao tamin’ ny tongotrao ary ny nifalian’ ny fonao tamin’ ny fanaovana tsinontsinona ny tanin’ ny Isiraely,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 25
Cross References
Job 27:23Tehafin’ ny olona tanana izy sady isitrisirany ka ampialainy amin’ ny fonenany.
Proverbs 24:17Aza faly, raha lavo ny fahavalonao, Ary aza ravoravo ny fonao, raha tafintohina izy;
Lamentations 1:7Tsaroan’ i Jerosalema amin’ ny andro fahoriany sy fanjenjenany ny zava-tsoa rehetra izay nananany hatry ny ela; Fa nony naripaky ny fahavalo ny olony, ka tsy nisy namonjy azy, dia nahita azy ny fahavalo ka nihomehy ny faharavany.
Ezekiel 6:11Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Mameleza amin’ ny tananao ianao, ary mitotoa amin’ ny tongotrao, ka manaova hoe: Indrisy! ny fahavetavetana ratsy rehetra ataon’ ny taranak’ Isiraely, izay ho lavon’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana!
Ezekiel 35:15Toy ny nifalianao ny amin’ ny lovan’ ny taranak’ Isirady, satria nofoanana ireny, dia toy izany kosa no hataoko aminao: Ho foana ianao, ry tendrombohitra Seïra sy Edoma rehetra; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
Obadiah 1:12Aza finaritra mijery ny andron’ ny rahalahinao amin’ ny andro ahitany loza izay tsy misy toa izany; Ary aza mifaly ny amin’ ny taranak’ i Joda amin’ ny andro andringanana azy; Ary aza manao teny miavonavona amin’ ny andro fahoriana