Bokin'i Ezekiela 26:13
Ary hatsahatro ny feon’ ny hiranao, sady tsy ho re intsony ny fanenon’ ny lokanganao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And I will cause the noise of thy songs to cease; and the sound of thy harps shall be no more heard.
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 26
Cross References
Isaiah 14:11Efa navarina ho etỳ amin’ ny fiainan-tsi-hita ny tabihanao mbamin’ ny feon’ ny valihanao; Kankana no ilafihanao, ary olitra no mandrakotra anao.
Isaiah 23:7Izao va no manjo anao, ry ilay niravoravo, izay efa naorina hatry ny fony fahagola sady nentin’ ny tongony hivahiny any lavitra any?
Isaiah 24:8Mitsahatra ny firavoravoana amin’ ny ampongatapaka, tapitra ny fitabataban’ ny niravoravo; Mitsahatra ny fifaliana amin-dokanga;
Jeremiah 16:9Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hatsahatro amin’ ity tany ity eo imasonareo sy amin’ ny andronareo ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ ny mpampakatra sy ny feon’ ny ampakarina.
Ezekiel 28:13Tany Edena, sahan’ Andriamanitra, ianao; Ny vato soa rehetra ny eloelo teo amboninao, dia ny karneola, ny topaza, ny onyksa, ny krysolita, ny beryla, ny jaspy, ny safira, ny robina, ny emeralda ary ny volamena; Ny fampanenoana ny ampongatapakao sy ny sodinao dia tao aminao, tamin’ ny andro namoronana anao dia natao koa ireo.
Amos 6:4Dia ireo izay mandrimandry ao amin’ ny farafara ivoriny sy mitsilailay eo amin’ ny fandriandriany ary homana ny zanak’ ondry avy amin’ ny andian’ ny ondry sy ny zanak’ omby avy ao am-pahitra,