Bokin'i Ezekiela 26:17
Ary hanao hira fahalahelovana ny aminao izy ka hanao aminao hoe: Indrisy! rava ianao, ry ilay nonenan’ ny avy any an-dranomasina! Dia ilay tanàna malaza izay nahery teo amin’ ny ranomasina, dia izy mbamin’ ny mponina ao, izay nampahatahotra ny mponina rehetra eo aminy!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 26
Cross References
2 Samuel 1:19Ilay voninahitrao, ry Isiraely, no voalefona teo amin’ ny havoananao; Endrey! Lavo ny mahery!
Isaiah 14:12Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay fitarik’ andro, zanaky ny maraina; Voakapa hianjera amin’ ny tany ianao, ry ilay mpandripaka firenena.
Isaiah 23:8Iza no nikasa izany hamelezana an’ i Tyro, mpanome satro-boninahitra, izany? Mpanapaka ny mpandrantony, Olo-malaza amin’ ny tany ny mpivarony.
Jeremiah 7:29Hetezo ny volonao, ry Jerosalema, ka ario, ary manaova hira fahalahelovana any an-tendrombohitra mangadihady, satria lavin’ i Jehovah sy afoiny ny taranaka mahatezitra Azy.
Lamentations 1:1Indrisy, mitoetra manirery izao ilay tanàna feno olona! Efa tonga toy ny mpitondratena izy! Ilay nalaza tamin’ ny firenena sy andriambavy tamin’ ny tany samy hafa dia efa miankin-doha kosa izao!
Ezekiel 19:14Ary afo no mivoaka avy amin’ ny sampany misy tehina ka mandevona ny voany, dia tsy misy rantsany mafy azo atao tehim-panjakana ho fanapahana intsony izy. Hira fahalahelovana izany sady mbola ho hira fahalahelovana ihany.