Bokin'i Ezekiela 27:10
Ny avy any Persia sy ny Lydiana ary ny Libyana dia isan’ ny miaramila mpiadinao; Nanantona ampinga sy fiarovan-doha teny aminao ireo ka nahatsara tarehy anao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 27
Cross References
Genesis 10:6Ary ny zanakalahin’ i Hama dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary Kanana.
Genesis 10:22Ny zanakalahin’ i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpaksada sy Loda ary Arama.
1 Chronicles 1:11Ary Mizraima niteraka ny Lodita sy ny Anamita sy ny Lehabita sy ny Naftohita
Song of Solomon 4:4Ny vozonao dia tahaka ny tilikambon’ i Davida, natao ho trano fihantonam-piadiana; Ampinga arivo no voahantona eo, dia ny ampinga rehetra an’ ny lehilahy mahery.
Jeremiah 46:9Miakara, ianareo soavaly, ary miriota toy ny adala, ianareo kalesy; Ary aoka hivoaka ny lehilahy mahery, dia ny Etiopiana sy ny Libyana, izay mitana ampinga, ary ny Lydiana, izay mitana sy manenjana tsipìka.
Ezekiel 30:5Etiopia sy Libya sy Lydia sy ny olona samy hafa firenena rehetra sy ny Kobiana sy ny zanaky ny tany vita fanekena dia hiaraka ho lavon-tsabatra aminy.