Bokin'i Ezekiela 27:17
Joda sy ny tanin’ ny Isiraely no mpandranto nankany aminao, ka vary tritika avy tany Minita sy zava-mamy sy tantely sy diloilo ary balsama no natakalony ny varotrao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 27
Cross References
Genesis 43:11Ary hoy Isiraely rainy taminy: Raha izany ary no izy, dia izao no ataovy: analao ny vokatra malaza amin’ ny tany ka ataovy ao anatin’ ny fitondran-entanareo, dia ento midìna haterina ho an-dralehilahy, dia balsama kely sy tantely kely, ditin-kazo nekota sy lota sy pistakia ary amygdala;
Deuteronomy 32:14Sy rononomandrin’ omby sy rononon’ ondry aman’ osy Mbamin’ ny tavin’ ny zanak’ ondry Sy ondrilahin’ i Basana sy osilahy Ary vary izay vokatra indrindra; Ary nisotro divay mahery avy tamin’ ny ran’ ny voaloboka ianao.
1 Kings 5:9Ary Andriamanitra nanome an’ i Solomona fahendrena sy fahiratan-tsaina be indrindra ary fahalalana betsaka tahaka ny fasika amoron-dranomasina.
Ezra 3:7Ary nomeny vola ny mpipai-bato sy ny mpandrafitra, ary ny any Tyro sy ny any Sidona dia nomeny zavatra hohanina sy hosotroina sy diloilo mba hitondrany hazo sedera avy any Libanona hatramin’ ny ranomasina any Jopa, araka ny teny efa azony tamin’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia.
Acts 12:20Ary Heroda tezitra loatra tamin’ ny Tyriana sy ny Sidoniana; fa niray saina kosa ireo ka nankany aminy, ary rehefa nahazo an’ i Blasto, mpitandrina ny trano fandrian’ ny mpanjaka, ho sakaizany, dia nangataka fihavanana, satria ny taniny nivelona tamin’ ny tanin’ i Heroda.