Bokin'i Ezekiela 27:18
Damaskosy no mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan’ ny taozavatrao, dia ny haben’ ny harenao rehetra, ka nitondra divay avy any Helbona sy volon’ ondry fotsy izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 27
Cross References
Genesis 15:2Ary hoy Abrama: Jehovah Tompo ô, inona no homenao ahy? fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, ary ny ho tompon’ ny ahy dia ilay Eliezera avy any Damaskosy.
Isaiah 7:8Fa ny lohan’ i Syria dia Damaskosy, Ary ny lohan’ i Damaskosy dia Rezina (Ary ao anatin’ ny dimy amby enim-polo taona dia ho rava ny Efraima ka tsy ho vanon-ko firenena intsony),
Acts 9:2ka nangataka taratasy taminy ho any amin’ ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana izany, na lahy na vavy.