Bokin'i Ezekiela 27:8
Ny mponina any Sidona sy Arvada no mpivoinao; Ny olon-kendrinao, ry Tyro, no tao aminao, ka ireo no mpitondra sambonao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 27
Cross References
Genesis 10:18sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Hamatita; ary nony taoriana dia niely ny firenen’ ny Kananita.
Joshua 11:8Ary Jehovah nanolotra azy teo an-tànan’ ny Isiraely izay namely azy ka nanenjika azy hatrany Sidona lehibe sy hatrany Misrefota-mamia ary hatramin’ ny lohasaha Mizpa atsinanana; dia namely azy izy mandra-paha-tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
1 Kings 9:27Ary Hirama nampandeha ny vahoakany tamin’ ny sambo, dia matilô izay nahay ranomasina, hiaraka amin’ ny vahoakan’ i Solomona.
Isaiah 10:9Tsy tahaka an’ i Karkemisy va Kalno? Tsy tahaka an’ i Arpada va Hamata? Ary tsy tahaka an’ i Damaskosy va Samaria?
Ezekiel 27:11Ny terak’ i Arvada sy ny miaramilanao no teny ambonin’ ny mandanao manodidina, ary lehilahy mahery no tao amin’ ny tilikambonao; Ny ampingany dia nahantony teny amin’ ny mandanao manodidina; Ireo no nahatanteraka ny hatsaran-tarehinao.