Bokin'i Ezekiela 28:17
Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; Efa nahasimba ny fahendrenao mbamin’ ny famirapiratanao ianao; Nazerako eny an-tany ianao sady natolotro ho fitalanjonan’ ireo mpanjaka,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 28
Cross References
Psalms 73:18Eo amin’ izay mahasolafaka tokoa no ametrahanao azy, ary aripakao ho ringana izy.
Proverbs 11:2Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka; Fa ao amin’ ny manetry tena no misy fahendrena.
Isaiah 14:9Taitra ny fiainan-tsi-hita any ambany noho ny aminao mba hitsena anao amin’ ny fihavianao; Mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny bibilahy rehetra tambonin’ ny tany; Aingainy hiala amin’ ny seza fiandrianana ny mpanjakan’ ny firenena rehetra.
Isaiah 25:12Ary ny mandanao mafy sy avo dia harodany ka haetriny sy hofongorany hatramin’ ny tany, dia hatramin’ ny vovoka.
Jeremiah 8:9Mahazo henatra ny hendry, raiki-tahotra sy voasambotra izy; Indro, ny tenin’ i Jehovah dia nolaviny, ka inona intsony no fahendrena ananany?
Ezekiel 16:41Ary hodorany amin’ ny afo ny tranonao, ka hotanterahiny eo imason’ ny vehivavy maro ny famaliana anao ary hatsahatro tsy hijangajanga ianao ka tsy hanangy intsony.