The Bible Software
bible.software › Bokin'i Ezekiela › Bokin'i Ezekiela 28 › Bokin'i Ezekiela 28:23

Bokin'i Ezekiela 28:23

Fa hahatonga areti-mandringana hamely azy Aho ary rà ho eny an-dalambeny; Dia hiampatrampatra eny aminy ny voatrabaky ny sabatra izay mamely avy eny manodidina eny; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

For I will send into her pestilence, and blood into her street; and the wounded shall be judged in the midst of her by the sword upon her on every side; and they shall know that I am the LORD.

In Context

22ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, efa hamely anao Aho, ry Sidona, ary hankalazaina ao ampovoanao Aho; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha manatanteraka ny fitsarana azy Aho ka miseho ho masìna amin’ ny ataoko aminy.

24Ary tsy hisy roy mampangirifiry na tsilo mampanaintaina intsony ho an’ ny taranak’ Isiraely, avy amin’ ireo manodidina azy, izay manao tsinontsinona azy; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Tompo.

Read all of Bokin'i Ezekiela 28

Cross References

Ezekiel 5:12Ny ampahatelony eo aminao dia ho fatin’ ny areti-mandringana na ho ringan’ ny mosary eo aminao; ary ny ampahatelony dia ho lavon’ ny sabatra manodidina anao; ary ny ampahatelony dia haeliko ho amin’ ny rivotra rehetra, ary hanatsoaka sabatra ho entiko manenjika azy Aho.

Ezekiel 21:14Ry zanak’ olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Injao! sabatra! sabatra re! Voaranitra sady voafotsy koa.

Ezekiel 25:7Dia, indro, hahinjitro aminao ny tanako, ka hatolotro ho babon’ ny jentilisa ianao; Ary hofongorako tsy ho vanon-ko firenena intsony ianao, ka hataoko lany ritra tsy ho amin’ ny tany; Eny, haringako ianao, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.

Ezekiel 25:17Ary famaizana mirehitra no ho entiko manao famaliana lehibe aminy; ka dia ho fantatra-fa Izaho no Jehovah, rehefa hataoko mihatra aminy ny famaliako.

Ezekiel 30:4Ary hisy sabatra tonga any Egypta sy fangorohoroana fatratra any Etiopia, raha miampatrampatra any Egypta ny voatrabaka; Ary ho lasa ny hareny, sady ho rava ny fanorenany.

Ezekiel 38:22Ary hamaly azy amin’ ny areti-mandringana sy ny rà sy ny ranon’ orana manafotra ary ny havandra vaventy Aho; ary koa, handatsaka afo sy solifara aminy sy amin’ ny miaramilany mbamin’ ny firenena maro izay miaraka aminy Aho.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Ezekiela 28:23

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Ezekiela 28:22Bokin'i Ezekiela 28Bokin'i Ezekiela 28:24 →