Bokin'i Ezekiela 29:11
Tsy hodiavin-tongotr’ olona ny tany, ary ny tongo-biby aza tsy handia azy, sady tsy honenana efa-polo taona izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 29
Cross References
2 Chronicles 36:21hanatanterahana ny tenin’ i Jehovah nampilazaina an’ i Jeremia, mandra-panonitry ny tany ny Sabatany; fa tamin’ ny andro rehetra izay nahafoanany dia natsahatra ny tany mba hanonitra ny Sabatany mandra-pahatapitry ny fito-polo taona.
Isaiah 23:17Ary rehefa afaka fito-polo taona, Jehovah hamangy an’ i Tyro, ka dia hiverina amin’ ny filan-tangy izy sy hijangajanga amin’ ny fanjakana rehetra manerana izao tontolo izao.
Jeremiah 29:10Fa izao no lazain’ i Jehovah: Rehefa tapitra ny fito-polo taona ny amin’ i Babylona, dia hamangy anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teniko tsara, ka hampodiko ho amin’ ity tany ity ianareo.
Ezekiel 30:10Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, no ho entiko mahafoana ny horakorak’ i Egypta.
Ezekiel 32:13Haringako koa ny biby fiompiny rehetra eny amoron’ ny rano maro, ary tsy hanakobankobana azy intsony ny tongotry ny olona, na handoto azy ny kitron’ ny biby fiompy.
Ezekiel 36:28Ary honina any amin’ ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo, ka ho oloko ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo.