2 Chronicles 36:21
hanatanterahana ny tenin’ i Jehovah nampilazaina an’ i Jeremia, mandra-panonitry ny tany ny Sabatany; fa tamin’ ny andro rehetra izay nahafoanany dia natsahatra ny tany mba hanonitra ny Sabatany mandra-pahatapitry ny fito-polo taona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Leviticus 26:34Ary amin’ izany ny tany dia hanonitra ny sabatany amin’ ny andro rehetra izay hahafoanany, raha any amin’ ny tanin’ ny fahavalonareo ianareo; dia hitsahatra ny tany ka hanonitra ny sabatany;
Jeremiah 25:9dia, indro, hampanalaiko ny firenena rehetra any avaratra sy Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, mpanompoko, hoy Jehovah, ary ho entiko hamely ity lany ity sy ny mponina eto mbamin’ ireto firenena manodidina rehetra ireto izy, ary haringako tokoa ireo ka hataoko ho figagana sy zavatra mampisitrisitra sady ho rava mandrakizay.
Jeremiah 26:6dia hataoko tahaka an’ i Silo ity trano ity, ary hataoko fanozonana ho an’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany ity tanàna ity.
Jeremiah 29:10Fa izao no lazain’ i Jehovah: Rehefa tapitra ny fito-polo taona ny amin’ i Babylona, dia hamangy anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teniko tsara, ka hampodiko ho amin’ ity tany ity ianareo.
Zechariah 1:4Aza mba toy ny razanareo, izay nantsoin’ ny mpaminany fahiny hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Mialà amin’ ny lalanareo ratsy ianareo sy amin’ ny ratsy fanaonareo; nefa tsy nitandrina izy, na nihaino Ahy, hoy Jehovah.
Zechariah 7:14fa haeliko amin’ ny tafio-drivotra ho any amin’ ny firenena rehetra izay tsy fantany izy. Toy izany no nahalao ny tany tao aoriany, ka tsy nisy olona nandroso na niverina; fa nahatonga ny tany mahafinaritra ho tany lao izy.