Bokin'i Ezekiela 3:19
Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, ka izy no tsy mety miala amin’ ny faharatsiany sy amin’ ny lalany ratsy, dia ho faty amin’ ny helony ihany izy; fa ho voavonjinao ny fanahinao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 3
Cross References
2 Kings 17:13Nefa ny mpaminany rehetra sy ny mpahita rehetra dia nasain’ i Jehovah nananatra ny Isiraely sy ny Joda hoe: Mialà amin’ ny lalanareo ratsy, ary tandremo ny lalàko sy ny didiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay nanirahako ny mpaminany mpanompoko ho aminareo.
Proverbs 29:1Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka Dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana.
Jeremiah 42:19Jehovah efa nilaza ny aminareo, ry sisa amin’ ny Joda, hoe: Aza mankany Egypta ianareo; aoka ho fantatrareo tokoa fa efa nanariko androany ianareo.
Ezekiel 3:18Raha hoy Izaho amin’ ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao! ary tsy mananatra azy ianao, na miteny hananatra ny ratsy fanahy, hialany amin’ ny lalany ratsy hamonjena ny ainy, dia ho faty amin’ ny helony ihany ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin’ ny tananao ny ràny.
Ezekiel 14:14na dia ao aza ireto telo lahy ireto, dia Noa sy Daniela ary Joba, dia ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany, hoy Jehovah Tompo.
Ezekiel 33:5Nandre ny feon’ ny anjomara ihany izy, nefa tsy nety taitra; ho ao aminy ihany ny ràny; fa raha nety taitra izy, dia ho nahavonjy ny ainy ihany.