Bokin'i Ezekiela 3:20
Ary koa, raha ny marina miala amin’ ny fahamarinany ka manao meloka, ary mametraka fahatafintohinana eo anoloany Aho, dia Ho faty izy; eny noho ny tsy nananaranao azy dia ho faty amin’ ny fahotany ihany izy, ary ny fahamarinana izay nataony tsy hotsaroana, nefa kosa hadiniko amin’ ny tananao ny ràny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 3
Cross References
Deuteronomy 13:3sady manao hoe: Andeha isika hanaraka andriamani-kafa (izay tsy fantatrao), ka aoka hanompo azy isika, na dia tanteraka aza ny famantarana na fahagagana izay nolazainy taminao,
2 Chronicles 19:2Ary nivoaka hitsena azy Jeho, zanak’ i Hanany mpahita, ka nanao tamin’ i Josafata mpanjaka hoe: Moa ny ratsy fanahy va no tokony hampiana, ary izay mankahala an’ i Jehovah va no tokony ho tianao? Koa noho izany dia tezitra aminao Jehovah.
2 Chronicles 24:17Ary rehefa maty Joiada, dia avy Ireo mpanapaka ny Joda ka niankohoka teo anatrehan’ ny mpanjaka. Dia nihaino azy ny mpanjaka.
Psalms 36:3Fa miarahaba tena izy ny amin’ ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy.
Psalms 125:5Fa izay mivily ho amin’ ny sakeli-dalana mivilivily Dia horoahin’ i Jehovah miaraka amin’ ny mpanao ratsy anie. Fiadanana anie ho amin’ ny Isiraely.
Isaiah 8:14Dia ho fitoerana masìna ho anareo Izy, Fa ho vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka kosa Amin’ ny firenena roa amin’ ny Isiraely, sady ho fandrika sy tonta Amin’ ny mponina any Jerosalema.