Bokin'i Ezekiela 3:23
Dia nitsangana aho ka nivoaka nankany amin’ ny lohasaha; ary, indro, nitoetra teo ny voninahitr’ i Jehovah tahaka ny voninahitra izay efa hitako teo amoron’ ny ony Kebara ihany dia nikarapoka nihohoka aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 3
Cross References
Numbers 16:19Ary Kora nanangona ny namany rehetra ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana hanohitra azy roa lahy; dia niseho tamin’ ny fiangonana rehetra ny voninahitr’ i Jehovah.
Joshua 5:14Dia hoy Izy: Tsia; fa Izaho dia Komandin’ ny miaramilan’ i Jehovah ka tonga atỳ ankehitriny. Dia niankohoka tamin’ ny tany Josoa ka nanao taminy hoe: Inona no holazainao amin’ ny mpanomponao, Tompokolahy?
Ezekiel 1:3dia tonga tamin’ i Ezekiela mpisorona, zanak’ i Bozy, ny tenin’ i Jehovah tany amin’ ny tanin’ ny Kaldeana, teo amoron’ ny ony Kebara; ary ny tànan’ i Jehovah dia taminy teo.
Ezekiel 8:4Ary, indro, teo ny voninahitr’ Andriamanitry ny Isiraely tahaka ilay fahitana efa hitako teo amin’ ny lohasaha.
Ezekiel 10:18Dia niala avy teo ambonin’ ny tokonambaravaran’ ny trano ny voninahitr’ i Jehovah ka nijanona teo ambonin’ ny kerobima.
Ezekiel 44:4Dia nentiny nankamin’ ny vavahady avaratra ho eo anoloan’ ny trano koa aho, dia hitako fa, indro, feno ny voninahitr’ i Jehovah ny tranon? i Jehovah; ka dia nikarapoka nihohoka aho.