Bokin'i Ezekiela 31:14
Mba tsy hisy hiavonavona intsony noho ny hahavony ny hazo rehetra eny amoron’ ny rano, na hanandratra ny lohany ho eo amin’ ny rahona matevina, sady tsy hisy hitoky amin’ ny hahavony intsony ny hazo mifo-drano rehetra; Fa voatolotra ho faty izy rehetra ho any ambanin’ ny tany, ho ao amin’ ny zanak’ olombelona, dia any amin’ izay midìna any an-davaka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 31
Cross References
Deuteronomy 21:21Dia hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao an-tanànany; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy; ary ny Isiraely rehetra dia handre izany ka hatahotra.
Psalms 63:9Mifikitra amiko ny fanahiko; manohana ahy ny tananao ankavanana.
Isaiah 14:15Kanjo hampidinina hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita ho any ampara-vodilavaka ianao.
Ezekiel 31:18Tahaka an’ iza amin’ ny hazo any Edena moa ianao amin’ izao voninahitra sy fahalehibiazana izao? Hampidinina ho any ambanin’ ny tany miaraka amin’ ny hazo any Edena ianao; Eo amin’ ny tsy voafora no hiamparanao, dia eo amin’ izay voa-trabaky ny sabatra. Farao sy ny vahoakany maro be rehetra izany, hoy Jehovah Tompo.
Daniel 4:32ary ny mponina rehetra etỳ an-tany hatao tsinontsinona; ary manao izay sitrapony amin’ ireo maro be any an-danitra sy amin’ ny mponina etỳ an-tany Izy; ary tsy misy mahasakana Azy, na manao aminy hoe: Inona no ataonao?
1 Corinthians 10:11Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan’ ny faran’ izao tontolo izao.