bible.software › Bokin'i Ezekiela › Bokin'i Ezekiela 31 › Bokin'i Ezekiela 31:15
Bokin'i Ezekiela 31:15
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tamin’ ny andro nidinany ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita dia nampanao fisaonana Aho: Nanarona ny rano lalina noho ny aminy Aho sady nanampina ny ony avy aminy, ka dia najanona ny rano maro; Nampisaoniko Libanona noho ny aminy, ka nalazo noho izany ny hazo rehetra tany an-tsaha.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Thus saith the Lord GOD; In the day when he went down to the grave I caused a mourning: I covered the deep for him, and I restrained the floods thereof, and the great waters were stayed: and I caused Lebanon to mourn for him, and all the trees of the field fainted for him.
In Context
14Mba tsy hisy hiavonavona intsony noho ny hahavony ny hazo rehetra eny amoron’ ny rano, na hanandratra ny lohany ho eo amin’ ny rahona matevina, sady tsy hisy hitoky amin’ ny hahavony intsony ny hazo mifo-drano rehetra; Fa voatolotra ho faty izy rehetra ho any ambanin’ ny tany, ho ao amin’ ny zanak’ olombelona, dia any amin’ izay midìna any an-davaka.
16Tamin’ ny fiezinezin’ ny fianjerany dia nampihorohoroiko ny firenena, raha nampidiniko ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita izy, ho naman’ izay midìna any an-davaka; Ary ny hazo rehetra any Edena, dia ny nojobonina sady soa indrindra any Libanona, dia izay mifo-drano rehetra, samy nampionona ny tenany any ambanin’ ny tany,
Read all of Bokin'i Ezekiela 31
Cross References
Ezekiel 26:18Ankehitriny dia raiki-tahotra ny amoron-dranomasina amin’ ny andro hianjeranao; Eny, toran-kovitra ny nosy any an-dranomasina noho ny haharavanao.
Malachi 3:4Dia ho mamin’ i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema toy ny tamin’ ny andro fahiny sy toy ny tamin’ ny taona taloha.
Revelation 18:18ary raha nahita ny setroky ny fandoroana ary, dia niantso nanao hoe: Aiza intsony re no misy tahaka izany tanàna lehibe izany?
This Verse In Other Editions
Study Bokin'i Ezekiela 31:15