Bokin'i Ezekiela 33:6
Fa raha hitan’ ilay mpitily kosa fa, indro, avy ny sabatra, nefa tsy nitsoka ny anjomara izy, ka tsy notairina ny olona, ary tonga ny sabatra ka mandringana olona ao aminy, dia matin’ ny helony ihany iny; nefa ny ràny dia hadiniko amin’ ny tànan’ ilay mpitily.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 33
Cross References
Genesis 42:22Dia namaly azy Robena ka nanao hoe: Moa tsy niteny taminareo va aho ka nanao hoe: Aza manota amin’ ny zaza? nefa tsy mba nihaino ianareo; koa indro fa adinina ny ràny izao.
Proverbs 14:32Ny ratsy fanahy azera noho ny haratsiany; Fa ny marina matoky, na dia mby ao amin’ ny fahafatesana aza.
Jeremiah 14:15Koa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ireo mpaminany izay maminany amin’ ny Anarako ireo nefa tsy nirahiko tsinona ka milaza fa tsy hisy sabatra sy mosary eto amin’ ity tany ity: Ny sabatra sy ny mosary indrindra no handringanana ireo mpaminany ireo.
Ezekiel 18:20Ny fanahy izay manota no ho faty. Ny zanaka tsy mba hitondra ny heloky ny rainy, ary ny ray tsy mba hitondra ny heloky ny zanany; ny fahamarinan’ ny marina ho aminy ihany ary ny faharatsian’ ny ratsy fanahy kosa ho aminy ihany.
Ezekiel 33:8Raha hoy Izaho amin’ ny ratsy fanahy: He! ry ilay ratsy fanahy, ho faty tokoa ianao! nefa tsy mety mananatra azy ianao hiala amin’ ny alehany, dia ho fatin’ ny helony ihany izany ratsy fanahy izany, fa ny ràny dia hadiniko amin’ ny tananao.
John 8:21Ary hoy indray Jesosy taminy: Handeha Aho, ary hitady Ahy ianareo, ary ho faty amin’ ny fahotanareo; izay alehako tsy azonareo haleha.