Bokin'i Ezekiela 33:8
Raha hoy Izaho amin’ ny ratsy fanahy: He! ry ilay ratsy fanahy, ho faty tokoa ianao! nefa tsy mety mananatra azy ianao hiala amin’ ny alehany, dia ho fatin’ ny helony ihany izany ratsy fanahy izany, fa ny ràny dia hadiniko amin’ ny tananao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 33
Cross References
Genesis 2:17fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao.
Numbers 27:3Ny rainay dia maty tany an-efitra, kanefa tsy mba isan’ ny antokon’ i Kora izay niangona hiodina tamin’ i Jehovah tsy akory; fa matin’ ny fahotany ihany izy, nefa tsy nanan-janakalahy.
Ecclesiastes 8:13Fa tsy hisy soa ho an’ ny ratsy fanahy; fa ho toy ny aloka izy ka tsy haharitra ela, satria tsy matahotra eo anatrehan’ Andriamanitra.
Jeremiah 8:11Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran’ ny oloko zanakavavy tamin’ ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona!
Ezekiel 13:9Ary ny tanako no hamely ny mpaminany izay mahita anoano foana sy maminany lainga; tsy ho isan’ ny mpanolo-tsainan’ ny oloko na ho voasoratra amin’ ny bokin’ ny taranak’ Isiraely izy sady tsy hiditra ao amin’ ny tanin’ ny Isiraely; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
Ezekiel 18:10Fa raha miteraka zazalahy mpanao an-keriny sy mpandatsa-drà izy, ka manao na dia iray ihany amin’ ireo zavatra ireo aza iny