Bokin'i Ezekiela 34:16
Ny very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko, ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa dia haringako ka handrasako amin’ ny fitsarana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Izaho no hiandry ny ondriko, ary Izaho no hampandry azy, hoy Jehovah Tompo.
Read all of Bokin'i Ezekiela 34
Cross References
Deuteronomy 32:15Nihanatavy Jesorona ka namely daka, Efa matavy ianao sady vory nofo no vaventibe, Dia nahafoy an’ Andriamanitra Izay nanao azy izy, Ary nanamavo ny Vatolampy famonjena azy.
Isaiah 5:17Ary ny zanak’ ondry hikania toy ny eny amin’ ny tany fiandrasana azy ihany; Ary ny tany foana izay nipetrahan’ ny matavy, dia mpirenireny no hiandry ondry ao.
Isaiah 40:11Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak’ ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.
Isaiah 61:1Ny Fanahin’ i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ ny mazava,
Jeremiah 10:24Jehovah ô, anaro aho, nefa araka ny antonony ihany, fa tsy amin’ ny fahatezeranao, fandrao hataonao tonga tsinontsinona aho.
Jeremiah 23:15Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ny amin’ ireo mpaminany ireo: Indro, hofahanako zava-mahafaty izy sy hampisotroiko rano mangidy, satria avy tamin’ ny mpaminanin’ i Jerosalema no nivoahan’ ny faharatsiana ho any amin’ ny tany rehetra.