Bokin'i Ezekiela 34:2
Ry zanak’ olona, maminania ny hamelezana ny mpiandry ny Isiraely, eny, maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Lozan’ ny mpiandry ondrin’ ny Isiraely izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan’ ny mpiandry?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Read all of Bokin'i Ezekiela 34
Cross References
2 Samuel 5:2Fa hatry ny fony fahiny ihany koa, raha mbola nanjaka taminay aza Saoly, dia ianao no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary Jehovah efa nilaza taminao hoe: Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy.
Psalms 78:72Dia niandry ireo araka ny hitsin’ ny fony izy, ka nitondra azy araka ny fahaizan’ ny tànany.
Isaiah 56:11Lian-kanina ireny amboa ireny; ka tsy mahalala voky, sady mpiandry tsy mahafantatra ireny; samy efa nivily ho amin’ ny lalany avy izy rehetra, samy mankamin’ ny filàny harena avokoa izy rehetra.
Jeremiah 3:15Dia homeko mpitondra araka ny sitrapoko ianareo. Izay hitondra anareo amin’ ny fahalalana sy ny fahendrena.
Jeremiah 12:10Mpitondra maro no nanimba ny tanim-boaloboko, nohitsakitsahiny ny anjarako; Nataony tany efitra lao ny anjarako mahafinaritra;
Ezekiel 13:19Ary manamavo Ahy ao amin’ ny oloko ianareo noho ny vary hordea eran-tànan-ila sy ny sombi-mofo, mba hahafaty ny fanahy izay tsy tokony ho faty ary hahavelona ny fanahy izay tsy tokony hovelomina, amin’ ny andainganareo amin’ ny oloko izay mihaino ny lainganareo.