Bokin'i Ezekiela 36:10
Ary hahamaro ny olona eny aminareo Aho, dia ny taranak’ Isiraely rehetra rehetra, ary honenana ny tanàna, ka haorina indray ny efa rava;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Fa, indro, hitodika ho aminareo Aho ka hanatrika anareo; Dia hasaina sy hofafazana ianareo;
Read all of Bokin'i Ezekiela 36
Cross References
Isaiah 27:6Amin’ ny andro ho avy dia hamaka tsara Jakoba; Ary Isiraely hamony sy hitsimoka ka hameno izao tontolo izao amin’ ny fahavokarany.
Isaiah 49:17Tamy faingana ny zanakao; Ary izay nanimba sy nandrava anao dia miala aminao.
Isaiah 52:9Velomy ny hoby, ry fitoeran-drava any Jerosalema; Fa Jehovah efa nampionona ny olony sady efa nanavotra an’ i Jerosalema.
Isaiah 61:4Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola, ary hamboarina ny efa lao hatramin’ ny fahiny, dia hohavaozina indray ny tanàna rava, Izay efa lao hatramin’ ny taranaka lasa ela.
Jeremiah 31:10Mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ianareo jentilisa, ary torio any amin’ ny tany amoron-tsiraka any lavitra any izany, ka atao hoe: Izay nampiely ny Isiraely no hanangona azy indray sady hitandrina azy toy ny fitandrin’ ny mpiandry ondry ny ondriny.
Jeremiah 33:12Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Eto amin’ ity tany efa lao tsy misy olona na biby fiompy ity sy amin’ ny tanànany rehetra dia mbola hisy fonenan’ ny mpiandry ondry hampandriany ny ondry aman’ osiny,