Bokin'i Jeremia 33:12
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Eto amin’ ity tany efa lao tsy misy olona na biby fiompy ity sy amin’ ny tanànany rehetra dia mbola hisy fonenan’ ny mpiandry ondry hampandriany ny ondry aman’ osiny,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 33
Cross References
Jeremiah 17:26Ary ho avy ny olona avy amin’ ny tanànan’ ny Joda sy ny manodidina an’ i Jerosalema sy ny tanin’ ny Benjamina sy ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany havoana ary ny tany atsimo ka hitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ary fanatitra hohanina sy ditin-kazo mani-pofona ary hitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon’ i Jehovah.
Jeremiah 32:43Ary mbola hisy fividianana saha eto amin’ ity tany ity, izay ataonareo hoe Tany lao tsy misy olona na biby fiompy sady efa voatolotra eo an-tànan’ ny Kaldeana.
Jeremiah 50:19Ary hampodiko ho any amin’ ny saha fiandrasana azy indray ny Isiraely, ka hihinana ao Karmela sy Basana izy; Ary any an-tany havoan’ i Daima sy Gileada no hahavoky azy.
Ezekiel 34:12Toy ny fandinidiniko ny mpiandry ny ondriny amin’ izay andro hahatratrarany ny ondriny izay efa niely, dia toy izany no handinidinihako ny ondriko sy hamonjeko azy avy any amin’ izay rehetra efa nielezany tamin’ ny andro mandrahona sy maizim-pito.
Ezekiel 36:8Fa ianareo kosa, ry tendrombohitry ny Isiraely, dia hisandrahaka sy hahavokatra ho an’ ny Isiraely oloko; Fa efa antomotra ny hihavian’ ireny.
Obadiah 1:19Ny any amin’ ny tany atsimo no hahalasa ny tendrombohitr’ i Esao; Ary ny any amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka no hahalasa ny Filistina; Hahalasa ny tanin’ ny Efraima sy ny tany Samaria izy; Ary Benjamina hahalasa an’ i Gileada.