Bokin'i Ezekiela 36:12
Eny, hampivoivoy olona eny aminareo Aho, dia ny Isiraely oloko; Dia hanana anareo izy ka hahalasa anareo ho lovany, ary tsy hahalany fara azy intsony ianareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 36
Cross References
Numbers 13:32Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafoiny tamin’ ny Zanak’ Isiraely izy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany izay mandevona ny monina eo, ary ny olona rehetra izay hitanay teo dia olona vaventibe;
Jeremiah 15:7Ary kororohiko amin’ ny fikororohana izy ho any amin’ ny vava-tany; Ary foanako anaka ny oloko, eny, aringako izy tsy mety miala amin’ ny fanaony mba hiverina izy.
Jeremiah 32:44Eny, saha no hovidin’ ny olona vola, ka hosoratany amin’ ny taratasy sy hasiany tombo-kase ary hasiany vavolombelona ao amin’ ny tanin’ ny Benjamina sy amin’ ny manodidina an’ i Jerosalema sy amin’ ny tanànan’ ny Joda sy amin’ ny tanàna any amin’ ny tany havoana sy amin’ ny tanàna ny amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka ary amin’ ny tanàna any amin’ ny tany atsimo; fa hampodiko avy amin’ ny fahababoany izy, hoy Jehovah.
Ezekiel 47:14Ary samy handova avokoa ianareo rehetra, satria efa nanangan-tanana hanome ity ho an’ ny razanareo Aho, ka dia ho azonareo ho lova ity tany ity.
Obadiah 1:20Ary ny babo amin’ izao Zanak’ Isiraely maro be izao hahalasa ny Kananita hatrany Zarefata, Ary ny babo tany Jerosalema, izay any Sefarada, dia hahalasa ny tanàna any amin’ ny tany atsimo.