Bokin'ny Nomery 13:32
Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafoiny tamin’ ny Zanak’ Isiraely izy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany izay mandevona ny monina eo, ary ny olona rehetra izay hitanay teo dia olona vaventibe;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 13
Cross References
Numbers 13:28Kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo amin’ ny tany; ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe dia lehibe; ary koa, nahita ny teraky ny Anakita teo izahay.
Deuteronomy 1:28Ho aiza no hiakarantsika? Ny rahalahintsika efa nanaketraka ny fontsika tamin’ ny nanaovany hoe: Lehibe sy lava noho isika ny olona; ary ny tanàna dia lehibe sady misy mànda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay teo koa ny taranaky ny Anakita.
1 Chronicles 20:6Ary nisy ady indray tao Gata; ary tao nisy lehilahy vaventibe izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan’ ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony; ary izy koa mba isan’ ny taranaky ny Refaïta.
Ezekiel 36:12Eny, hampivoivoy olona eny aminareo Aho, dia ny Isiraely oloko; Dia hanana anareo izy ka hahalasa anareo ho lovany, ary tsy hahalany fara azy intsony ianareo.
Amos 2:9Nefa Izaho no nandringana ny Amorita teo anoloany, dia olona izay lava tsanganana toy ny hazo sedera sy natanjaka toy ny ôka; Eny, nosimbako ny voany teny ambony sy ny fatany tao ambany.
Matthew 23:13Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan’ ny olona ny fanjakan’ ny lanitra; fa ianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra.