Bokin'i Ezekiela 36:3
Dia maminania, ka lazao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nandravany anareo sy ny nisafoahany nanenjika anareo avy amin’ ny tany manodidina, ka dia efa lasan’ ny jentilisa sisa ho fananany ianareo, sady efa nataon’ ny molotry ny mpibedibedy fitenenana ka efa ambentinteny amin’ ny firenena,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 36
Cross References
Deuteronomy 28:37Dia ho figagana sy ohabolana ary ho ambentinteny ianao any amin’ ny firenena rehetra izay hitondran’ i Jehovah anao.
Job 30:1Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay tokon-jandriko aza, dia zanak’ ireo izay nolaviko tsy ho isan’ ny amboa miandry ny ondriko akory aza.
Psalms 35:25Aoka tsy hanao anakampo hoe izy: Hià! faly izahay! aoka tsy hanao hoe izy: efa natelinay izy.
Psalms 61:1Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Nataon’ i Davida.
Psalms 79:4Tonga fandatsan’ ny namanay izahay, sady faneso sy fanakoran’ izay manodidina anay.
Proverbs 1:12Aoka isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin’ ny fiainan-tsi-hita Ary hanao azy teli-moka toy ny latsaka any an-davaka;