The Bible Software
bible.software › Bokin'i Ezekiela › Bokin'i Ezekiela 36 › Bokin'i Ezekiela 36:5

Bokin'i Ezekiela 36:5

Eny, izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tamin’ ny afon’ ny fahasaro-piaroko no nitenenako tokoa Namely ny firenena sisa sy Edoma rehetra, Izay nahalasa ny taniko ho fananany Tamin’ ny hafalian’ ny fony tokoa sy tamin’ ny fanahy mamingavinga, mba hangoronany azy ho babo.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Therefore thus saith the Lord GOD; Surely in the fire of my jealousy have I spoken against the residue of the heathen, and against all Idumea, which have appointed my land into their possession with the joy of all their heart, with despiteful minds, to cast it out for a prey.

In Context

4Dia mihainoa ny tenin’ i Jehovah Tompo, ry tendrombohitry ny Isiraely: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo amin’ ny tendrombohitra sy ny havoana, ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha ary amin’ ny korontam-bato sy ny tanàna haolo, izay efa babo sy fandatsa ho an’ ny firenena sisa amin’ ny manodidina,

6Koa maminania ny amin’ ny tanin’ ny Isiraely, ka lazao amin’ ny tendrombohitra sy ny havoana ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: (Indro, tamin’ ny fahasaro-piaroko sy ny fahatezerako no nitenenako): Noho ny nitondranareo latsa tamin’ ny firenena,

Read all of Bokin'i Ezekiela 36

Cross References

Deuteronomy 4:24Fa Jehovah Andriamanitrao dia afo mandevona; eny, Andriamanitra saro-piaro Izy.

Psalms 137:7Jehovah ô, tsarovy amin’ ny taranak’ i Edoma Ny andron’ i Jerosalema, Dia ireo izay nanao hoe: Ravao, ravao izy Hatramin’ ny fanorenany.

Proverbs 24:17Aza faly, raha lavo ny fahavalonao, Ary aza ravoravo ny fonao, raha tafintohina izy;

Isaiah 34:2Fa Jehovah dia tezitra amin’ ny jentilisa rehetra, ary mirehitra amin’ ny miaramilany rehetra ny fahatezerany; Efa nodidiany haringana ireo ary natolony hovonoina.

Isaiah 63:1Iza moa Ity avy any Edoma, dia avy any Bozra, ka mena mangatrakatraka ny fitafiany, dia Ity Izay mareva-pitafiana sy miandranandrana amin’ ny haben ny heriny? Izaho Izay mitory fahamarinana sady manan-kery hamonjy.

Jeremiah 12:14Izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ireo ratsy fanahy rehetra mifanakaiky fonenena amiko ireo, dia izay mikasikasika ny tany nomeko ho lovan’ ny Isiraely oloko: Indro, hongotako tsy ho amin’ ny taniny ireo, ary ny taranak’ i Joda koa dia hongotako tsy ho eo aminy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Ezekiela 36:5

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Ezekiela 36:4Bokin'i Ezekiela 36Bokin'i Ezekiela 36:6 →