Bokin'i Ezekiela 37:16
Ary ianao, ry zanak’ olona, dia mangalà tapa-kazo iray, ka asio soratra hoe: Ho an’ ny Joda sy ho an’ ny zanak’ Isiraely namany; dia mangalà tapa-kazo anankiray koa, ka asio soratra hoe: Ho an’ i Josefa dia tapa-kazon’ i Efraima sy ho an’ ny taranak’ Isiraely namany rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
17Ary ampifanatony izy roa ho tonga tapa-kazo iray ihany, dia ho iray eny an-tananao izy.
Read all of Bokin'i Ezekiela 37
Cross References
1 Kings 12:16Ary nony hitan’ ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin’ i Davida? Tsy manana lova amin’ ny zanak’ i Jese izahay; samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e; ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely.
2 Chronicles 10:17Fa ny Zanak’ isiraely izay nonina tany an-tanànan’ ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama.
2 Chronicles 11:11Ary nanamafy ny tanàna mimanda izy sady nametraka mpanapaka tao aminy ary nanisy hanina sy diloilo ary divay betsaka.
2 Chronicles 15:9Ary novoriny ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny vahiny teo aminy izay avy tany amin’ ny Efraima sy ny Manase ary ny Simeona; fa betsaka no nanatona azy avy tamin’ ny Isiraely, raha hitany fa Jehovah Andriamaniny no teo aminy.