Bokin'i Ezekiela 37:22
ary hataoko ho firenena iray any amin’ ny tany izy, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely, ary mpanjaka iray ihany no ho mpanjakan’ izy rehetra, ka tsy ho firenena roa intsony izy ary tsy hisaraka ho fanjakana roa intsony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 37
Cross References
Genesis 49:10Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’ i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan’ ny tongony, mandra-pahatongan’ i Silo, ka hanoa Azy ny firenena.
Psalms 2:12Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.
Psalms 72:8Ary hanjaka hatramin’ ny ranomasina ka hatramin’ ny ranomasina izy, ary hatramin’ ny ony ka hatramin’ ny faran’ ny tany.
Isaiah 11:12Dia hanangana faneva ho an’ ny jentilisa Izy ka hamory ny Isiraely izay voaroaka sy hanangona ny Joda izay voaely Avy any amin’ ny vazan-tany efatra.
Jeremiah 3:18Amin’ izany andro izany ny taranak’ i Joda sy ny taranak’ Isiraely dia hiara-mandeha, ka hiara-tonga avy any amin’ ny tany avaratra izy ho any amin’ ny tany nomeko ny razanareo ho lovany.
Jeremiah 32:39Dia homeko fo iray sy lalana iray izy, mba hatahorany Ahy lalandava hahasoa azy sy ny zanany mandimby azy;