Bokin'ny Salamo 2:12
Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11Manompoa an’ i Jehovah amin’ ny fahatahorana, ary mifalia amin’ ny fangovitana.
Cross References
Genesis 41:40koa ianao no hanapaka ny ato an-tranoko, ary araka ny teninao no hitondrana ny oloko rehetra; ny seza fiandrianana ihany no hahalehibe ahy noho ianao.
1 Samuel 10:1Ary Samoela nitondra tavoara feno diloilo ka nanidina ny diloilo teo an-dohan’ i Saoly, dia nanoroka azy ka nanao hoe: Tsy nanosotra anao va Jehovah mba ho mpanapaka ny lovany?
Psalms 1:6Fa fantatr’ i Jehovah ny lalan’ ny marina, fa ny lalan’ ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin’ ny fahaverezana.
Psalms 2:7“Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany.
Psalms 34:8Ny Anjelin’ i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.
Psalms 40:4Ary nanisy fihiram-baovao teo am-bavako Izy, dia fideràna an’ Andriamanitsika; maro no hahita sy hatahotra ary hatoky an’ i Jehovah.