Bokin'i Ezekiela 37:26
Ary hanao fanekem-pihavanana ho azy Aho, ka ho fanekena mandrakizay eo aminy any, ary hametraka sy hahamaro azy Aho sady hametraka ny fitoerako masìna eo aminy mandrakizay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
27Ary ny tabernakeliko ho eo aminy; ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.
Read all of Bokin'i Ezekiela 37
Cross References
Genesis 9:16Ary ho eo amin’ ny rahona ny avana; ary hitsinjo azy Aho hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay izay ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny zava-manan’ aina rehetra, dia ny nofo rehetra ambonin’ ny tany.
Exodus 15:17Dia hampiditra azy Hianao ka hamponina azy ao amin’ ny tendrombohitra lovanao, ao amin’ ny fitoerana nataonao hitoeranao, Jehovah ô, dia ao amin’ ny fitoerana masìna naorin’ ny tananao, Tompo ô.
Leviticus 26:11Ary ny tabernakeliko dia hataoko eo aminareo; ary tsy ho halan’ ny fanahiko ianareo.
1 Kings 8:20Ary Jehovah efa nahatanteraka ny teniny izay nolazainy, koa nitsangana handimby an’ i Davida raiko aho ary mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely tahaka ny efa nolazain’ i Jehovah, sady efa nanao ny trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.
Psalms 89:3Fa hoy izaho Hotovonana mandrakizay ny famindram-po; Ny fahamarinanao hampitoerinao any an-danitra.
Isaiah 49:21Dia hanao anakampo ianao hoe: Iza no niteraka ireto ho ahy? Fa efa maty ny zanako, ary nitsaha-jaza aho. Babo aho sady noroahina, koa iza no namelona ireto? Indro, nilaozana ho irery aho, fa taiza kosa moa ireto?