Bokin'i Ezekiela 37:4
Dia hoy indray Izy tamiko: Maminania amin’ ireto taolana ireto, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin’ i Jehovah!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 37
Cross References
Numbers 20:8Alao ny tehina, ka vorionao sy Arona rahalahinao ny fiangonana, ary mitenena amin’ ny vatolampy eo imasony, dia hampiboiboika ny ranony izy; ary hampivoaka rano ho an’ ny olona avy amin’ ny vatolampy ianao, ka dia hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
Job 10:11Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin’ ny taolana sy ny ozatra.
Isaiah 42:18Mihainoa ianareo, ry marenina; Ary mijere, ry jamba, mba hahita.
Ezekiel 36:1Ary ianao, ry zanak’ olona, maminania amin’ ny tendrombohitry ny Isiraely, ka ataovy hoe: Ry tendrombohitry ny Isiraely, mihainoa ny tenin’ i Jehovah:
Ezekiel 37:15Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Matthew 21:21Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin’ ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin’ ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe: Mifindrà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany.