Bokin'i Ezekiela 4:10
Ary an-danjany no hihinananao ny haninao, dia roa-polo sekely isan’ andro; asio elanelany ny fihinanao azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11Ary rano afàtra no hosotroinao, dia ampahenin’ ny hina; asio elanelany koa ny fisotronao azy.
Read all of Bokin'i Ezekiela 4
Cross References
Leviticus 26:26Raha tapahiko ny vary, izay tohan’ ainareo, dia fanendasa-mofo iray ihany no hanendasan’ ny vehivavy folo ny mofonareo, ary an-danjany no hizarany azy, dia hihinana ianareo, fa tsy ho voky.
Isaiah 3:1Fa, indro, Jehovah, Tompon’ ny maro, Manaisotra amin’ i Jerosalema sy Joda izay andry sy tohana rehetra: Dia ny mofo sy ny rano rehetra, izay tohan’ aina,
Ezekiel 12:18Ry zanak’ olona, hano amin-korohoro ny haninao, ary sotroy amin-kovitra sy amin’ ahiahy ny ranonao.
Ezekiel 45:12Ny sekely dia roa-polo gera; sekely roa-polo sy dimy amby roa-polo ary dimy ambin’ ny folo no ho manenareo.