The Bible Software
bible.software › Bokin'i Ezekiela › Bokin'i Ezekiela 40 › Bokin'i Ezekiela 40:17

Bokin'i Ezekiela 40:17

Dia nentiny ho any amin’ ny kianja ivelany aho, ary, indro, nisy efi-trano madinika sy lampivato teny amin’ ny kianja manodidina: nisy efi-trano telo-polo teny amin’ ny lampivato.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Then brought he me into the outward court, and, lo, there were chambers, and a pavement made for the court round about: thirty chambers were upon the pavement.

In Context

16Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha manodidina, na ao amin’ ny trano fiambenana, na amin’ ny tongo-bato ao anatin’ ny vavahady; ary toy izany koa amin’ ny tohany; ary ny ao anatiny dia nisy varavarankely manodidina; ary teo amin’ ny tongo-bato rehetra dia samy nisy sarin’ ny hazo rofia avokoa.

18Ary ny lampivato dia teo anilan’ ny vavahady, sady nifanerana tamin’ ny lavan’ ny vavahady: lampivato ambany io.

Read all of Bokin'i Ezekiela 40

Cross References

Exodus 27:9Ary manaova ny kianjan’ ny tabernakely: amin’ ny lafiny atsimo hisy fefy lamba rongony fotsy madinika voahasina ho amin’ ny kianja, zato hakiho ny halavany amin’ ny lafiny iray;

2 Kings 23:11Ary ny soavaly izay nohamasinin’ ireo mpanjakan’ ny Joda ho an’ ny masoandro ka nataony teo amin’ ny fidirana ho ao an-tranon’ i Jehovah, teo akaikin’ ny efi-tranon’ i Natana-meleka tandapa, izay tao Parvara, dia nesoriny; ary ny kalesin’ ny masoandro nodorany tamin’ ny afo.

1 Chronicles 23:28Ary ny raharahany dia ny hanampy ny taranak’ i Arona amin’ ny fanompoana ao an-tranon’ i Jehovah amin’ ireo kianja sy efi-trano tao ary amin’ ny fanadiovana ny zavatra masìna rehetra sy ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitra,

Ezekiel 10:5Ary ny fikopakopaky ny elatry ny kerobima dia re hatrany amin’ ny kianja ivelany, toy ny feon’ Andriamanitra Tsitoha, raha miteny.

Ezekiel 41:6Ary ireo paosin-trano ireo dia nifanongoa telo sady telo-polo milahatra; ary niankina tamin’ ny rindrin-trano izay ho an’ ny paosin-trano manodidina izy mba hitsatohany, fa tsy hitsatoka amin’ ny rindrin’ ny trano.

Ezekiel 42:4Ary teo anoloan’ ny efi-trano dia nisy lalana, folo hakiho ny sakany, mankao anatiny, ary lalana iray hakiho izany; ary nanatrika ny avaratra ny varavarany.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Ezekiela 40:17

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Ezekiela 40:16Bokin'i Ezekiela 40Bokin'i Ezekiela 40:18 →