Bokin'i Ezekiela 40:6
Dia tonga teo amin’ ny vavahady manatrita ny atsinanana izy ka niakatra tamin’ ny ambaratongany dia nandrefy ny tokonam-bavahady, ka eran’ ny volotara ny sakany, dia ny tokonana voalohany izany, ka eran’ ny volotara ny sakany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 40
Cross References
1 Kings 6:8Ny varavarana mankao amin’ ny efi-trano an-tenatenany dia teo amin’ ny ilany ankavanan’ ny trano; ary tohatra miolikolika no niakarany ho ao amin’ ny efi-trano an-tenatenany, ary avy tao amin’ ny an-tenatenany indray no niakarany ho ao amin’ ny fahatelony.
1 Chronicles 9:24Teo amin’ ny lafiny efatra no nitoeran’ ny mpiandry varavarana, dia teo atsinanana sy andrefana sy avaratra ary atsimo.
Psalms 84:10Andriamanitra, Ampinganay ô, tsinjovy ka jereo ny tavan’ ny voahosotrao.
Ezekiel 8:16Dia nentiny ho eo amin’ ny kianja anatiny amin’ ny tranon’ i Jehovah aho, ary, indro, teo am-baravaran’ ny tempolin’ i Jehovah, dia teo anelanelan’ ny lavarangana fidirana sy ny alitara, dia nisy tokony ho dimy amby roa-polo lahy niamboho ny tempolin’ i Jehovah ka nanatrika ny atsinanana; ary ireo dia niankohoka manandrify ny masoandro, nanatrika ny atsinanana.
Ezekiel 11:1Ary nisy fanahy nanainga ahy koa, dia nitondra ahy ho eo amin’ ny vavahady atsinanana amin’ ny tranon’ i Jehovah, dia ilay manatrika ny atsinanana; ary, indreo, nisy olona dimy amby roa-polo lahy teo anoloan’ ny vavahady; dia hitako teo amin’ ireo Jazania, zanak’ i Azora, sy Pelatia, zanak’ i Benaia, lehiben’ ny vahoaka.
Ezekiel 40:7Ary ny trano fiambenana, dia eran’ ny volotara ny lavany, ary eran’ ny volotara koa ny sakany; ary ny elanelan’ ny trano fiambenana dia dimy hakiho; ary ny tokonam-bavahady eo anilan’ ny lavarangan’ ny vavahady anatiny dia eran’ ny volotara.