Bokin'i Ezekiela 8:16
Dia nentiny ho eo amin’ ny kianja anatiny amin’ ny tranon’ i Jehovah aho, ary, indro, teo am-baravaran’ ny tempolin’ i Jehovah, dia teo anelanelan’ ny lavarangana fidirana sy ny alitara, dia nisy tokony ho dimy amby roa-polo lahy niamboho ny tempolin’ i Jehovah ka nanatrika ny atsinanana; ary ireo dia niankohoka manandrify ny masoandro, nanatrika ny atsinanana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 8
Cross References
Deuteronomy 17:3ka lasa mandeha manompo andriamani-kafa ary mivavaka aminy na amin’ ny masoandro, na amin’ ny volana, na amin’ ny kintana, izay zavatra efa nandrarako azy,
2 Kings 16:14Ary ny alitara varahina kosa, izay teo anatrehan’ i Jehovah, dia nafindrany hiala eo anoloan’ ny trano dia eo anelanelan’ ny alitara vaovao sy ny tranon’ i Jehovah ka nataony teo avaratry ny alitarany.
2 Kings 23:5Ary natsahany koa ny mpisorona amin’ ny andriamani-tsi-izy, izay notendren’ ny mpanjakan’ ny Joda handoro ditin-kazo manitra eny amin’ ny fitoerana avo tany amin’ ny tanànan’ ny Joda sy tamin’ ny manodidina an’ i Jerosalema, sy izay nandoro ditin-kazo manitra koa ho an’ i Bala, dia ny masoandro, ary ho an’ ny volana sy ny kintana amin’ ny Zodiaka ary ho an’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra.
2 Chronicles 7:7Ary Solomona nanamasina ny afovoan’ ny kianja izay teo anoloan’ ny tranon’ i Jehovah; fa tao no nanaterany ny fanatitra dorana sy ny saboran’ ny fanati-pihavavana; fa ny alitara varahina izay nataon’ i Solomona dia tsy omby ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny sabora.
Job 31:26Raha tàhiny aho nijery ny masoandro, raha namirapiratra izy, na ny volana, raha nandeha tamin’ ny fangarangarany izy,
Jeremiah 2:27Dia izay manao amin’ ny tapa-kazo hoe: Raiko ianao, ary amin’ ny vato hoe: Hianao no niteraka ahy; Fa efa niamboho Ahy izy ka tsy nanatrika Ahy; Nefa amin’ ny andro fahoriany kosa dia vao hanao hoe izy: Mitsangàna, ka vonjeo izahay.