bible.software › Bokin'i Ezekiela › Bokin'i Ezekiela 43 › Bokin'i Ezekiela 43:12
Bokin'i Ezekiela 43:12
Izao no lalàna amin’ ny trano: Ho masìna dia ho masìna avokoa izay rehetra voafaritra ho azy eo an-tampon’ ny tendrombohitra. Eny, izany no lalana amin’ ny trano.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
This is the law of the house; Upon the top of the mountain the whole limit thereof round about shall be most holy. Behold, this is the law of the house.
In Context
11Ary raha menatra ny amin’ izay rehetra efa nataony izy, dia asehoy azy ny endriky ny trano mbamin’ ny fombafombany sy ny fivoahana avy ao aminy sy ny fidirana ho ao aminy ary ny endriny rehetra sy ny didy rehetra aminy, eny, ny endriny rehetra ary ny lalàna rehetra aminy; koa soraty eo imasony izany, hitandremany ny endriny rehetra ary ny lalàny rehetra ka hanatanterahany izany.
13Ary izao no mariky ny alitara araka ny hakiho, nefa isaky ny hakiho iray dia mihoatra vodivoam-pelatanana noho ny fanao: Ny fara-vodiny dia iray hakiho, ary iray hakiho koa ny sakany, ary ny koronosiny manodidina dia irain-jehy; ireo no fiorenan’ ny alitara.
Read all of Bokin'i Ezekiela 43
Cross References
Ezekiel 40:2Fahitana avy amin’ Andriamanitra no nitondrany ahy ho any amin’ ny tanin’ ny Isiraely, ka napetrany teo an-tendrombohitra avo dia avo aho, ary nisy nitarehin-tanàna teo amin’ ny ilany atsimo.
Revelation 21:27Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masìna, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin’ ny bokin’ ny fiainana izay an’ ny Zanak’ ondry ihany.
This Verse In Other Editions
Study Bokin'i Ezekiela 43:12