Bokin'i Ezekiela 40:2
Fahitana avy amin’ Andriamanitra no nitondrany ahy ho any amin’ ny tanin’ ny Isiraely, ka napetrany teo an-tendrombohitra avo dia avo aho, ary nisy nitarehin-tanàna teo amin’ ny ilany atsimo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 40
Cross References
1 Chronicles 28:12ary ny sarin’ izay rehetra efa niseho tamin’ ny fanahiny; dia ny amin’ ny kianjan’ ny tranon’ i Jehovah sy ny efi-trano rehetra manodidina azy ho an’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra,
Isaiah 2:2Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’ i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.
Isaiah 48:2Fa milaza ny tenany ho avy amin’ ny tanana masìna izy ka miankina amin’ Andriamanitry ny Isiraely; Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.
Ezekiel 8:3Ary nisy nitarehin-tanana nahinjiny, ka noraisiny tamin’ ny voloko aho, dia nisy fanahy nanainga ahy ho eny anelanelan’ ny tany sy ny lanitra ka nitondra ahy ho any Jerosalema tamin’ ny fahitana avy amin’ Andriamanitra, ho eo amin’ ny vavahadin’ ny kianja anatiny, izay manatrika ny avaratra, dia ilay nisy ny sarin-javatra fampahasaro-piaro, dia ilay mampahasaro-piaro.
Ezekiel 48:30Ary izao no ohatry ny tanàna amin’ ny lafiny avaratra: diman-jato amby efatra arivo.
Daniel 7:1Fahitana niseho tamin’ i Daniela ny amin’ ny fanjakana efatra lehibe, sy ny hitsaran’ Andriamanitra ireo. Tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Belsazara, mpanjakan’ i Babylona, dia nanonofy Daniela sady nahita fahitana tao am-pandriany, ary nosoratany ny nofy, ka nambarany ny fotopototry ny teny.