Bokin'i Ezekiela 43:17
Ary ny rindriny dia efatra ambin’ ny folo hakiho ny lavany, sy efatra ambin’ ny folo hakiho koa ny sakany, amin’ ny lafiny efatra; ary ny koronosiny manodidina dia antsasaky ny hakiho; ary ny fara-vodiny dia iray hakiho manodidina; ary ny ambaratongany dia manatrika ny atsinanana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 43
Cross References
Exodus 25:25Ary asio sisiny vodivoam-pelatanana manodidina azy, ary asio koronosy volamena ny sisiny manodidina.
1 Kings 6:8Ny varavarana mankao amin’ ny efi-trano an-tenatenany dia teo amin’ ny ilany ankavanan’ ny trano; ary tohatra miolikolika no niakarany ho ao amin’ ny efi-trano an-tenatenany, ary avy tao amin’ ny an-tenatenany indray no niakarany ho ao amin’ ny fahatelony.
Nehemiah 9:4Ary Jesoa sy Bany sy Kadmiela sy Sebania sy Bony sy Serebia sy Bany ary Kenany dia nitsangana teo ambonin’ ny lampihazon’ ny Levita ka nitaraina mafy tamin’ i Jehovah Andriamaniny.
Ezekiel 40:6Dia tonga teo amin’ ny vavahady manatrita ny atsinanana izy ka niakatra tamin’ ny ambaratongany dia nandrefy ny tokonam-bavahady, ka eran’ ny volotara ny sakany, dia ny tokonana voalohany izany, ka eran’ ny volotara ny sakany.