Bokin'i Ezekiela 44:30
Ary ny santatry ny voaloham-bokatra rehetra avy amin’ ny zavatra rehetra sy ny fanatitra rehetra izay alaina amin’ ny zavatra atao fanatitra dia ho an’ ny mpisorona; ary ny santatry ny kobanareo voafetafeta dia homenareo ny mpisorona koa, mba hampitoerana fitahiana ao an-tranonao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 44
Cross References
Exodus 13:12dia hatokanao ho an’ i Jehovah izay voalohan-teraka rehetra: ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra izay anananao, dia ho an’ i Jehovah ny lahy rehetra;
Exodus 23:19Ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao dia ho entinao ao an-tranon’ i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’ osy amin’ ny rononon-dreniny.
Numbers 15:19ka hihinana mofo avy amin’ ny vokatry ny tany, dia hanokana izay ho an’ i Jehovah.
Numbers 18:12Izay rehetra tsara indrindra amin’ ny diloilo sy ny ranom-boaloboka ary ny vary, dia ny voaloham-bokatra aminy, izay ateriny ho an’ i Jehovah, dia efa nomeko anao.
Deuteronomy 18:4ary ny voaloham-bokatry ny varinao koa sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan’ ny volon’ ondrinao no homenao azy.
2 Chronicles 31:4Ary ny olona izay nonina tany Jerosalema nasainy nandoa ny anjaran’ ny mpisorona sy ny Levita hipetrahany tsara amin’ ny lalàn’ i Jehovah.