Bokin'i Ezekiela 44:7
dia ny nitondranareo vahiny tsy mifora fo na nofo hitoetra ao amin’ ny fitoerako masìna mba handoto ny tranoko tamin’ ny nanateranareo ny haniko, dia ny sabora sy ny rà, ka dia nivadika ny fanekeko ireo ho fanampin’ ny fahavetavetanareo rehetra;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 44
Cross References
Exodus 12:48Ary raha misy mivahiny eo aminao ka mba te-hitandrina ny Paskan’ i Jehovah, dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany, ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana izany.
Leviticus 17:11Fa ny ain’ ny nofo dia amin’ ny rà; ary nomeko anareo izany hatao ambonin’ ny alitara hanao fanavotana ho an’ ny ainareo, fa ny rà no manao fanavotana, satria aina izany.
Leviticus 21:8Dia hamasino izy, fa ny hanin’ Andriamanitrao no ateriny; ho masìna aminao izy, fa masìna Aho Jehovah, Izay manamasìna anareo.
Leviticus 21:21Ny olona rehetra amin’ ny zanak’ i Arona mpisorona izay misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanatitra ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; misy kilema izy ka tsy mahazo manakaiky hanatitra ny hanin’ Andriamaniny.
Leviticus 26:15ary hamavoinareo ny didiko, na halan’ ny fanahinareo ny fitsipiko, ka tsy ankatoavinareo ny didiko rehetra, fa ivadihanareo ny fanekeko,
Deuteronomy 10:16Koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony ianareo.